Toy ny vilany vaky tsy azorina.
Haseho amin’ny fo ny fitaka tahaka ny tsihy, ampahany tsirairay, ka izay fo mirona amin’izany dia hisy teboka mainty ao aminy, ary izay fo mandà izany dia hisy teboka fotsy ao aminy mandra-pahatonga ny fo ho fotsy tahaka ny vato masina, tsy ho voakasiky ny fitaka na oviana na oviana raha mbola misy ny lanitra sy ny tany, ary ny iray kosa ho mainty sy maizina tahaka ny siny mibotetaka, izay tsy mahafantatra tsara ny tsara, ary tsy manameloka ny ratsy, afa-tsy izay efa nakatebboka tamin'ny fitentai’ny tenany






